Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny Vovonan’ny Firaisamonim-pirenena. Ho fanomanana ny fihaonambe na « Convention Nationale n°4 », hotanterahina ny volana novambra ho avy izao.
Notanterahana tao Fianarantsoa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa fanombanana, fanaingana, sy fanamafisana ny rafitry ny Plate-forme nationale des organisations de la société civile de Madagascar (Pfnoscm/Voifiraisana). Niaraka tamin’ny rantsamangaikan’ny Vovonam-paritry ny firaisamonim-pirenena ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Misy zotram-panomanana sy fandaminana arahina ny fanatanterahana ny fihaonambe. Hitohy any Mahajanga, faritra Boeny, izany afaka iray volana, ho an’ny vovonam-paritra amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Mbola hisy fakan-kevitra sy ny fampandraisana anjara ireo fikambanana sy tambajotra eny ifotony ihany koa.
Anisan’ny mpisehatra manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena sy manerana an’izao tontolo izao ny firaisamonim-pirenena. Tafiditra amin’ny fampanjakana ny fanjakana tsara tantana, ny demokrasia tena izy, ny fanajana sy ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fampandrosona maharitra izany. Sarotiny amin’ny fiarovana ny tombontsoa iombonana sy ny fanajana ny hetahetam-bahoaka ary ny rariny sy ny hitsiny eto Madagasikara ny Pfnoscm/Voifiraisana satria izany no anisan’ny antom-pisiany.
Mpikambana feno eo anivon’ny « Forum international des plateformes nationales d’ONG mondiales » ny Pfnoscm/Voifiraisana. Manana mpikambana miisa 22 000 sy Vovonan’ny firaisamonim-pirenena 72 ary fiaraha-mientana dimy maneran-tany ny Forum.
Vonjy