Asa na noho ny fahantrana lalina, mivadika ny tany aman-danitra. Aleon’ny olona mivaro-panahy ahazoana vola aman-karena. Izay koa angamba no mahatonga ilay firenena maty hasina. Mikororosy sy farahidiny faobe. Tena hoe na ny kely ananana aza izao miharitra sy mihafongana. Tsy hoe ilay mpanao politika loatra no mpanao ampihimba fa ilay fanahy maha olona no toa efa tsy ao intsony.
Ny olona tsisy fanahy anefa ve moa dia ho ambinina? Samy amin’ny finoany anefa ny tsirairay. Malalaka rahateo Ramalagasy hitoky sy hino, ary hanompo izay mahametimety azy. Efa tonga eny an-tampon’ny samy reraka ihany koa anefa izao. Samy manavotra ny ainy, samy mikaroka ny zotra heveriny fa hahavotra azy.
Tsy afaka ny mifanohana sy mifampisintona ho amin’ny fahombiazana rahateo. Ny tonga saina aza efa tsy afa-mandinika intsony ka mamono ny hafa ankolaka sy mivantana. Tena hoe ny samy resy no mifamotika. Tsy hita taratra intsony izay mba soatoavina fa baikoin’ny fitiavam-bola diso tafahoatra dia manaotao foana.
Mila rindram-piarahamonina vaovao ilay Malagasy no tena marina. Tsy hivaha na oviana na oviana izao olana sosialy sy toekarena izao raha mbola jamban’ny vola. Tsy misy fanomezam- pahasoavana avy amin’ny razana na ny Zanahary inoana raha ny fanahy maha olona no mbola marisarisa sy natao ” sorona”. Tsy misy soa miditra amin-javatra poakaty izany.
Mitaky fanomezan-kasina ny tena aloha ny fahombiazana amin’ny fiainana. Mainka mandetika anaty ny firaparapana mitady harena etsy sy eroa. Fandrika goavana amin’ny tsy fahombiazana ny fanomezan-danja diso tafahoatra an-dravola. Poizina mamono tsikelikely ny lamim-piarahamonina rahateo ka mitondra any amin’ilay fahantrana faobe.
r.r