Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampahafantarana ny tetikasa “Projet tanora mahefa (Protama) vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola, ho fanamafisana ny traikefan’ireo tanora. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny fampiofanana ireo tanora ho tena matihanina, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy mifandray amin’ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy ny fambolena, ny famokarana angovo azo havaozina.
Nahazo fotodrafitrasa, « laboratoire de développement des compétences » ho an’ireo techniciens de laboratoire ny ao amin’ny fakiolten’ny Fianarana ho mpitsabo, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fondation Mérieux sy ny oniversiten’i Fianarantsoa. Natolotra ho an’ny mpianatra sy mpampianatra hahazoana fahaiza-manao sy hahamatihanina azy ireo izany. Natao ny fotodrafitrasa ho fanatsarana ny kalitaom-pampianarana sy hifehezana ny traikefa ara-teknika mialoha ny fampiarana any amin’ny hopitaly, hoy ny sojaben’ny fakiolte Fianarana ho mpitsabo.
Dren 23 sy ireo Cisco rehetra ao aminy no nahazo fampiofanana mahakasika ny fikirakirana tamba-pitaovana niomerika hanatanterahana ny fanangonana ireo antontanisa mahakasika ny vovonana mWater amin’ireo sekoly eto Madagasikara.
Hahazo vahana ny orana tandrifin-drahona, indrindra any atsinanan’ny Nosy, ao anatin’ny 2 andro. Ho betsaka ny rotsakorana ary mahazo fampitandremana miloko mavo kosa ny any Itasy, Vakinankaratra sy Amorono’i Mania… Fampitandremana miloko mena ho an’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Manjakandriana…