Taorian’ny “Grand Open Mada”, nokarakarain’ny Club 101 Jiujitsu, ny herinandro lasa teo, ho avy indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja JJB. Hatao ny alahady 27 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Grappling Tournament”, andiany faha-19. Ny klioban’ny JJB Attila no mikarakara izany izay efa anatin’ ny fanomanana tanteraka. Tsiahivina fa fifaninanana efa tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Federasionina malagasin’ny Jiujitsu brezilianina ity “Grappling Tournament” ity, ary anisan’ny hitiliana ireo mpikatroka mendrika ka afaka hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Raha hiverenana ny “Grand Open Mada”, mpikatroka 140 no tonga nifaninana ary mbola tsy lefy laza ny klioban’ny Chekmat izay nahazo ny medaly volamena betsaka indrindra tamin’ity fifaninanana ity. 15 be izao ny medaly volamena noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Chek-mat.
Mi.Raz
Vokatra nandritra
ny “Grand Open Mada”
Poussin -21kg: Anay Southside /-26kg : Andrew Checkmat /-40kg : Idealisoa Guerreros/-40kg: Mahasoa Checkmat /-20kg: Christelle Club 101
Benjamin -54kg: Ivontsoa Checkmat/-35kg: Sam Rayan Checkmat/-28kg: Anaïs Southside
Minime -43kg: Johan BJJ ESCA /-51kg: Grace Checkmat/ -38kg: Nandrasana Checkmat/
-33kg: Randosoa Checkmat
Cadette -64kg : Irinah Club 101/-55kg: Diary Checkmat
Benjamine -33kg: Soa Southside
Cadet -61kg: Misaina Attila
Adulte fille: -75kg Claudia Club 101 /-60kg: Nofy Checkmat /-55kg: Vergenah Club 101
Adulte homme: -80kg Rayan Southside /-63kg: Aiky Checkmat /-55kg: Avotra one tribe /-69kg: Voady Guerreros /-80kg: François BJJ Esca
Adulte homme avance: -63kg: Bryan Checkmat /-69kg: Fifaliana One tribe /-75kg: