Kick-“Coupe de l’Océan Indien” : Hatao eto Madagasikara, ny 12 avrily

Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 12 avrily izao, ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, na « Coupe de l’Océan Indien », taranja kick boxing. Firenena telo no handray anjara amin’izany, ahitana an’i Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara mpampiantrano. Araka ny fandaharam-potoana, ady 12 (9 lehilahy, 3 vehivavy) no hitranga amin’io fotoana io ary efa manomboka tonga hatramin’ny omaly ireo mpikatroka avy amin’ny nosy rahavavy hifaninana.

Mi.Raz

Ireo ady hitranga
Lehilahy:
-51 kg: Fidèle (MAD) vs Fulbert (MAU)/Miranto
(MAD) vs Wayne (MAU)
55kg: Hilaire (MAD) vs Wesley (REU)
-57 kg: Jonathan (MAD) vs Hamadi (REU)/
Mamisoa (MAD) vs Stéphane (REU)
-60kg: Eric (MAD) vs Nael Ravina (MAU)
-63.5 kg: Adriano (MAU) vs Mostepha (MAD)
63.5kg: Franck (MAD) vs Pifarely (REU)
-71kg: Alexandre (MAU) vs Birinod (MAD)
Vehivavy:
-48kg: Jessica (MAD) vs Nellia (MAU)
-56kg: Nalidah (MAD) vs Stania (MAU)
70kg: Coissier (REU) vs Aimy (MAU)

Partager sur: