Tsy mety miverina amin’ ny tsirairay mihitsy ny fahalalana fa Malagasy izy. Azy manontolo i Madagasikara sy ny hareny ary ny momba azy rehetra. Mahavariana fa mbola ankatoavin’ny Malagasy hatramin’izao ireo fanjanahan-tsaina napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’ olona. Ny mpahay tantara sy mpikaroka sasany aza sahy milaza fa « noho ny nataon’ny mpanjanatany no nahatonga antsika ho tahaka izao » ?
Aleo sokafana misimisy kokoa ny saina. Fatra-panome tsiny ny Malagasy fa tsy mandinika ny zavatra ataony. Raha tiana ho tia tanindrazana ny olona iray, omena fanabeazana sahaza izany izy. Mba inona amin’ny fandaharam-pampianarana eto Madagasikara moa no maneho na mamoitra ny fitiavana an’i Madagasikara ao anatin’ireny mpianatra ireny? Tsy ho tia an’ity Nosy ity mihitsy ny zaza malagasy na ny taranaka Malagasy raha tsy fantany ny momba azy. Amin’ny fomba ahoana anefa? Izany no tokony hitadiavam-baliny fa tsy lany andro manindraindra ny zava-bahiny sy ny fisainam-bahiny eto foana.
Mila fohazina ny maha Malagasy
Tsy karohina any ivelany na tavandraina any amin’ny firenen-kafa ny famoha mandry. Izay tafafoha mialoha no mamoha ireo mbola matory. Manana ray aman-dreny ny ankohonana. Manana ireo zokiolona ny fianakaviana. Manana mpampianatra ny mpianatra. Manana mpitarika ny fiarahamonina. Manana ireo mpitondra isan’ambaratonga ny firenena… Ireny no famoha sy fanoitra mandry ho an’ny Malagasy. Izy ireny no manana adidy hanaitra ilay hambom-po maha Malagasy. Izy ireny no mametraka ao am-po sy ao an-tsain’ny Malagasy tsirairay fa ny hamotika ny Malagasy sy handroba an’i Madagasikara sy ny hareny no laharam-pahamehana ho an’ny vahiny. Tsy fankahalana vahiny izany fa famoha mandry ho an’ny Malagasy mbola renoky ny torimaso.
Hatramin’izao, anefa, mbola olana goavana be ny fahitana sy ny fahatsapana fa ny lohany indray no matsatso. Sady tsy famoha mandry no mbola manao izay ahatonga ny Malagasy hiesona anaty torimaso lalina. Fomba fanaon’ ireo mpanjakazaka an-tanin’ olona io. Izany hoe, tsy niala maina teto Madagasikara ry zareo fa namela zaza mpandimby. Ito tranga ito ilay lazaina hoe « fahaleovan-tena an-taratasy ». Saika nandia azy io avokoa ny tany « voazanaka ».

Ray aman-dreny tsy misy fotony
Hatsingevan’ny « fandrosoana » dia mitsingevana. Poretin’ny tanora dia poritra… Ray aman-dreny (raiamandreny) tsy misy fotony. Ray aman-dreny sady tsy mahalala no tsy manome hasina akory ny momba azy (tanindrazany, tenindrazany, fomban-drazany…). Ray aman-dreny tsy misy fotony. Ray aman-dreny tsy matoky tena, manosika ny taranany ho lasa vahiny eto amin’ny taniny. Ray aman-dreny tsy misy fotony… Raha mbola tsy manana fototra tahaka ireo ny ray aman-dreny, sarotra ny hahita fiovana ao anatin’ny ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina, tanindrazana. Manomboka very fitaratra i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy mahita ny tenany, kanefa, mitazana ny hafa. Ny olona tsy misy fotony tsy antenaina hahavita hanabe taranaka ho any amin’ ny tsara. Ho any amin’ny fanahy no maha olona. Tsy antenaina hitondra soa ho an’ny tanindrazana.
Ampiasaina ny maha Malagasy
Hoy ny fahendrena malagasy: « ny tsara atao, manody. Ny ratsy atao manody ». Na mbola tsy tonga eo aza ny fari-pahalalana sy fahatakaran-javatra eo amin’ny Malagasy sasany. Azo atao tsara ny mamelon-kasina azy ireny. Raha mbola sarotra ny fanatanterahana izany, miditra amin’ny dingana manaraka ny Malagasy. Ampiasaina ny maha Malagasy…
Masim-bava miteny, masin-tana-mandray ny Malagasy. Noho ny fanotana fady (manaotao foana, mihinankinam-poana, miteniteny foana…), tsy ny rehetra intsony no manana io fahefana io. Izay mbola manana izany isan-tsehatra (ankohonana, fianakaviana, fikambanana… firenena) no tokony hamerina ny Malagasy ahafantatra sy hiaina amin’ny maha izy azy. Azo antoka fa mbola misy ireo ray aman-dreny masim-bava miteny ireo. Ry zareo isan-tsehatra no hanatanteraka ny fombafomba rehetra mba tsy ahafahan’ny hafa haniratsira sy hampitondra faisana ny taranany, sns. Azo antoka fa mbola misy ireo ray aman-dreny afaka mampiasa tsara ny fahefany amin-java-tsarotra.
… Raha izany, tsy ireto ray aman-dreny (na raiamandreny) masim-bava miteny mahay ny fomba amam-panao malagasy ireto ve no hamerina indray ny maha Malagasy nodradradradraina hatramin’ izay? Hitaiza sy hanabe ny taranaka Malagasy ho tonga olom-banona?
Matetika hadino io fampiasana ny maha Malagasy io. Variana amin-java-tsy misy fotony? Sondriana amin’ny safosioka mampandry adrisa? Noho izany, mila fohazina ihany koa ireo mahay momba ny maha Malagasy ireo (tantara, fomba amam-panao…). Sa ve efa mifoha ihany izy ireo fa tsy mbola fotoana handraisany andraikitra isan-tsehatra izao?
HaRy Razafindrakoto