Hotanterahina ny 28 avrily ka hatramin’ny 10 mey ny « Mission économique et commerciale au Canada » (MECC) andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Can-Cham).
« Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina amin’ireo teratany kanadianina. Hampahafantatra ihany koa ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ary hanamafy ny fifanankalozana ara-borotra lovainjafy eo amin’ny firenena roa tonta », hoy ny filohan’ny Can-Cham, Ratovomanana Ando Lalaina. Hisy paikady hapetraka hiatrehana ny hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa, hisy koa ny fampiofanana ireo Malagasy mpandraharaha hitrandraka ny tsena any an-toerana.
Mahatratra 11 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ireo hetsika dimy MECC voalohany. “Kendrena ny hampitomboana avo roa heny ny vokatra amin’ity taona ity », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Mahasarika ny kanadianina ny vokatra malagasy ary mila hampahafantarina azy ireo ny tolotra sy loharanon-karena misy eto Madagasikara. « Miisa 13 ny orinasa malagasy handray anjara
amin’ny hetsika. Ao ireo mandraharaha ny sehatry ny fambolena, ny fizahantany, ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanabeazana ary ny fitantanana mpiasa », hoy kosa ny tale mpanatanteraky ny Can-Cham, Rabenivo Elodie. Marihina fa handalo ao Toronto, Ottawa, Drummondvill, Victoriaville, Shawinigan ary ao Nouveau – BrunsWick ny MECC 2025.
Henintsoa