Nampahafantatra ny tomponandraikitra voalohan’ny Holafitry ny infirmiera sy ny sage femme (Conim), fa efa misaraka ny fampianarana mahakasika ny paramedy sy ny dokotera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao.
Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana niarahan’ny roa tonta izany. Nisy ny fifampiresahanay tamin’ny sojaben’ny fakiolten’ny Fampianarana ho dokotera eto Antananarivo ka mizotra tsikelikely ny fanatanterahana ny ezaka. “Ho famerenana indray ny hasin’ny fampianarana paramedy eto Madagasikara no tanjona”, hoy ny Conim.
Tsiahivina fa teo aloha dia nitambatra avokoa ny mpianatra dokotera sy ny infirmiera ary ny sage femme teny amin’ny Oniversite rehefa ao amin’ny taona voalohany. Nosarahina tanteraka izany ankehitriny ka mizara mazava ny lalam-piofanana sy ny fampianarana hatao. Marobe ireo tanora liana amin’ny fampianarana paramedy ary anisan’ny asa misokatra any ivelany rahateo izany satria maro ireo firenena mitady mpikarakara marary any amin’ny toerana fitaizana zokiolona na any amin’ny hopitaly.
Marihina fa hankalazaina ny 2 hatramin’ny 5 mey izao, any Mahajanga, ny Herinandro nasionalin’ny paramedy. Mialoha ny 25 avrily izao ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika izany.
Tatiana A