Fifangaroana, tafan-kolontsaina, maha izy, asehon’ny zavakanto. Miverimberina ireo raha hiresaka ilay fampirantiana goavana « Safiotra », izay entin’i Yinka Shonibare voalohany aty Afrika, raisin’ny Fondation H eto Antananarivo.
Sanganasa mandritra ny 20 taona. Ireo no natambatr’i Yinka Shonibare anatin’ny fampirantiana « Safiotra » (Hybridités/Hybridities). Nasain’ny Fondation H manokana ity mpanatalenta nizerianina lehibe tany Angletera ity mba hanatontosa habaka malalaka, hizara ny fijeriny ny lohahevitra amin’ny alalan’ireo sanganasany izay tsy manam-paharoa sy manamarika kolontsaina marolafy.
“Nahita ireo sanganasany tany Venise aho, dia resy lahatra fa tokony haseho aty Madagasikara izany. Mpanakanto anisan’ny fanta-daza sy henoina aty Afrika i Yinka Shonibare”, hoy i Hassanein Hiridhee, filohan’ny Fondation H, nandritra ny fanokafana sy ny fampahafantarana voalohany ny fampirantiana “Safiotra”, omaly.
Lehibe tokoa, raha tsy hitanisa afa-tsy ny isany. Efa ho roa kaontenera no nisy ireo sanganasa haranty, ka anisan’ireny ireo boky miisa 6 000 mahery, misy ny anaran’ireo olo-malaza manerana an’i Afrika. “The African Library” no anaran’ity ampahana fampirantiana ity, izay ahitana anarana Malagasy toa an-dry Ratsimamanga, Ravoahangy, Tsiranana, Georges Andriamanantena, Eric Manana, sns. Efa nanomboka ny taona 2018 no nanombohany azy ity. Eo koa ireo sary vongana vita amin’ny vy, mirakotra lamba wax sy ny maro hafa.
Fa mbola goavana kokoa, any amin’ny heviny sy ny lalan-tsaina hampitainy ity fampirantiana “Safiotra” ity. Maneho ny fifangaroana sy ny fitambaran-javatra roa misy fahasamihafana, na samy mitahiry ny toetrany manokana aza dia manome endrika iray vaovao foana. Mety ho olombelona, biby, zavatra, hevitra na foto-kevitra izany. Hita mivaingana amin’ireto sanganasan’i Yinka Shonibare ireto izay maha safiotra izay, nikarohany ireo fanandrifiana eo amin’ny kolontsaina, fiarahamonina,
jeografia ary ny fanjanahantany. Nanindry ka azo notarafina tamin’ireo sanganasany izany, ka mampametra-panontaniana hatrany ny vokatra tsirairay. Tsikaritra ny fihenjanana amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, izay mety hiteraka fanilihana hatramin’ny fahaverezan’ny maha olona. Eo koa ny fisongadinan’ilay fifangaroana izay lasa endri-kolontsaina hafa indray.
Anisan’ny nironan’i Yinka Shanibare ny karazan-damba wax. Nitety kolontsaina sy firenena maro ity karazan-damba ity, ary maneho indrindra ny lohahevitra. Nainga tany Indonezia, nandalo an’i Eoropa kanefa niori-paka taty Afrika efa an-taonany maro. Manana mpiara-miasa maro manantontosa ny fijeriny mankany amin’ny tanjona i Yinka Shanibare, mamoaka ireo sanganasa maro anatin’ity fampirantiana goavana indrindra aty Afrika ity.
Zo ny Aina