Hifantoka any Pologne ny sain’ny mpitia lavalava, manomboka anio. Hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’ny “Sevens challenger 2025”, taranja rugby lalaovina olona fito, ny Makis, lehilahy. Vonona ry zalahy hiatrika izany.
Hanombok amin’ity zoma ity ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Sevens challenger 2025”, taranja rugby ho an’olona 7, sokajy Senior, lehilahy. Hampiantrano izany ny kianja ao Cracovie any Pologne. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’izany ny Makis de Madagascar.
Lalao telo avy hatrany no indray hataon’ny Makis, amin’ ity anio ity. Hifanandrina voalohany amin’ny Makis i Canada. Vonona ry zalahy hiatrika azy ireo. Tsy ekipa vaovao amin’ny Malagasy akory ny Kanadianina fa efa nifampitana tamin-dry zalahy nandritra ny dingana voalohany natao tatsy Afrika Atsimo, ny volana febroary lasa teo. Resin’i Ca-nada ny Malagasy tamin’io.
Aorian’io, hidona amin’i Portugal indray ny Makis. Fantatr’ireto mpilalaon’ny Makis ireto tsara ihany koa ny portiogey satria efa nikatroka tamin’izy ireo roa volana lasa izay ka faharesena ihany koa no azon’ny Malagasy. Lalao ala vela avokoa izany no ataon’ ny Makis de Madagascar, amin’ireo firenena roa ireo.
Ny fihaonana fahatelo dia ny fihaonana amin’i Japon. Manana ny fahaiza-manaony ary tena matanjaka sy mahay rugby ihany koa ry zareo japoney. Miatrika ny manasa-dalana avy hatrany ireo roa voalohany raha hiady laharana kosa ny fahatelo sy fahefatra. Efa nojeren’ny mpanazatra avokoa ireo lesoka rehetra tsy nety nataon’ny mpilalao tamin’ireo lalao efa vita. Anisan’ny nifantohana betsaka ny fifehezana ny fitsipiky ny lalao izay nisy fiovana be. Ankoatra izay, salama tsara avokoa ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar ary ambony ny toe-tsaina hoentin-dry zalahy, miatrika ity fifaninanana ity. Hifarana rahampitso sabotsy ity “Sevens Challenger 2025” ity.
Tompondaka