Manomana tolotra maromaro amin’ny televizionina ny Startimes, amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Nohazavain’ireo tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny orinasa, fa hisitraka ny tolotra ahazoana ny « bouquets supérieurs Classic sy Super, mitentina 50 000 Ar ny mpanjifa, raha manampy 5 000 Ar amin’ny bouquets Basis sy Smart andoavana 28 000 Ar isam-bolana. Faharoa, misitraka avy hatrany ny bouquets Classic sy Super ny mpanjifa raha handoa sarany roa volana amin’ny « Basic sy Super ». Fahatelo,
hahazo 10 andro fanampiny ny mpanjifa efa mampiasa ny Classic na Super.
Ankoatra izany, hisy televizionina malagasy telo vaovao homen’ny Startimes ny mpanjifa, ny MaTV, ny FreeTV ary ny GTV. Hisy koa ny famoahana fandaharana andian-tantara horonantsary (séries) miisa efatra vaovao Novelas (Turques, philippines, thailandaises) adika amin’ny teny malagasy, hita amin’ny televizionina Gasystar sy UPTV. Iarahan’ny Startimes miasa amin’ny trano mpamokatra matihanina eto Madagasikara ireo.
Njaka A.