TARATRY ny KANTO

Rija, Luk ary Mahery, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fiarahana efa nanomboka ela dia ela ary mitohy hatramin’izao ny azy telo mirahalahy. Angamba tao amin’ny Piment Café ny seho betsaka indrindra hatramin’izay, ary mbola hiverina ao izy ireo, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Ankoatra ny sanganasany, fanaon’izy telo mirahalahy ny mame­rina ireo hirana mpanakanto zokiny sy efa kalon’ny omaly.

Nivaly ny fifaninanana fitendrena “Violon / violoncelle”, nokarakarain’ny Madagascar Mozar­teum. Voalohany teo amin’ny latsaky ny 16 taona i Mejasoa Razakarivelo. Teo amin’ny mihoatra ny
16 taona kosa Raholiariniaina Arotia Christelle. Teo amin’ny “violoncelle”, sady nahazo ny fankatoavan’ny mpitsara rehetra niampy fankasitrahana manokana Rabarijaona Tsiory Stéphan.

Hihazo an’Ampefy indray ny “Iray Fy Art”. Hanatontosa seho ao amin’ny FJKM Ampefy izy ireo, rahampitso sabotsy 12 avrily, manomboka amin’ny
2 ora tolakandro. Hampiaina an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo maro mpanaraka ireo mpilalao, mandritra izany. Aorian’Ampefy, hihazo an’i Morarano Gara indray ry Iray Fy art, ny 1 mey.

Nahazo ny fankasitrahan’ny mpitsara ilay sarimihetsika « Faritra ». Nandritra ny andiany faharoa tamin’ny « Festival international du film de l’Océan Indien », izay natao tany La Réunion teo io. Sarimihetsika notontosain’i Luck Razanajaonina sy i Tovo Rasoanaivo izy ity. Handeha amin’ny fahitala­vitra France TV, ankoatra ny loka hafa ho fankasitrahana izany.

Partager sur: