Notanterahina ny alarobia teo ny fanentanana momba ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) any amin’ny distrikan’Andilamena. Teo koa ny fanofanana ireo mpitantana ifotony.
Anisan’ny nampahafantarina tamin’izany ny momba ny fametrahana ny BSFI, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nandray anjara tamin’izany ny depioten’Andilamena, ny governoran’ny faritra Alaotra Mangoro sy ireo tomponandraikitra isan-tokony. Teo koa ireo ben’ny Tanàna miisa 9 sy ny filohan’ny Mpanolotsaina eny anivon’ny kaominina rehetra ary ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa any an-toerana. Nohazavaina tamin’izany ny drafitra sy ny tanjona amin’ny fametrahana ny BSFI. Samy naneho fankasitrahana sy fahavononana hanohana tanteraka izany ireo rehetra niatrika izao fanentanana sy fampahafantarana izao. Nanambaran’ny eo anivon’ny distrika ihany koa fa vonona hanome birao hametrahana izany izy ireo. Nampanantenany tany voatokana hanorenana ny biraon’ny BSFI kosa ny solombavambahoakan’ny distrikan’ Andilamena.
Fitantanana ny tany, ny tetibola…
Nitohy tamin’ny fiofanana manokana ho an’ireo ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina izany ka anisan’ny nampitaina tamin’izy ireo ny momba ny “Budget Programme”. Teo koa ny fampahafantarana ny momba ny fitantanana ny fananan-tany itsinjaram-pahefana. Manampy izany fanentanana izany ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fambolen-kazo, ny ady amin’ ny doro ala sy tanety. Niarahana tamin’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) izany.
Navitrika sy nandray anjara feno ireo mpanatrika nandritra ny ady hevitra sy fanontaniana arahim-baliny.
Synèse R.