Te ho modely amin’ny fampandrosoana ara-tontolo iainana i Madagasikara. Io no hetahetan’ny « Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation » (Indri), hetsika tohanan’ny Agence française de développement (AFD) sy ny sehatra britanika Darwin Initiative.
Nanomboka ny taona 2024, nahavory mpisehatra maherin’ny 150 avy amin’ny fanjakana sy tsy miankina ny Indri. Tanjona ny hananganana toekarena maitso maharitra sy lovainjafy. Nasongadina ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana. Nifantohana manokana ny tsenan’ny fampindramam-bola karbônina (marché carbone). Ho an-dRamaholimihaso Barijaona, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Indri, « maro ny asa azo ifantohana sy trandrahina amin’ny fana-renana ny ala, ny fambolena maharitra ary hatramin’ny fomba fandrahoan-tsakafo ekolojika. Tsy vitan’ny hoe ahazoana fidiram-bola fotsiny ireo hetsika ireo fa manatsara ny bilan carbone eto amin’ny firenena”, hoy izy. Fanamby ny hisintonana mpampiasa vola sy ahitana famatsiam-bola ilaina, indrindra eo am-piandrasana ny vokatra avy amin’ny tsenan’ny karbônina. Fanamby ihany koa ny hampirisihana ny Malagasy mpisehatra amin’ity tsena ity, izay mbola ireo rafitra lehibe iraisam-pirenena no misehatra betsaka aminy amin’izao fotoana izao. “Misy finiavana tsara, nefa betsaka koa ny andrasana”, hoy hatrany ny fanazavany.
Vina
Mikasa hanamafy ny andraikiny amin’ny maha mpanentana azy ny Indri. Efa misy ny “Indri Connect” hanamafisana ny fiaraha-miasa, hampiroboroboana ny tetikasa efa misy, hanohanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina. Anisan’ny dingana manaraka ho tanterahina ny fanaovana ny tombana amin’ny tsenan’ny karbôna eto Madagasikara miaraka amin’ny mpisehatra avy amin’ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ i Madagasikara.
Henintsoa