Mpianatra mirahavavy, samy 12 taona, niara-maty an-drano tao anaty dobo tany Ambalavao, Avaramanda Ambany Avaratra, afakomaly hariva. Mpianatra taona faha-4 ao amin’ny EPP Ramamonjy Pierre Avaramanda, izy ireo. Naharitra ora telo ny fikarohana azy ireo tao anaty rano. Nandro tao amin’io dobo io ny anton-dian’izy ireo ka izao nalentiky ny rano izao. Niantso ny tomponadraikitra ny zazavavikely iray hafa niaraka tamin’izy ireo.
Manao antso avo amin’ny fanjakana ambony ny fianakavian’ilay tovovavy 25 taona, may nodoran’ny sipany tamin’ny lasantsy tao Mahajanga. Mbola miady aman’aina izy io amin’izao fotoana izao nefa mbola rahonan’io lehilahy io ihany izy sy ny fianakaviany. Ampihorohoroiny ny fianakavian’ilay tovovavy ary efa fanaon’ity tovolahy ity izany, raha ny fantatra.