Notsidihina ny ampahan-dalana RN 5 eo anelanelan’Antalaha sy Marofinaritra. Nanatanteraka izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ahafahana mijery ny fanatanterahana ny « Lalan’ny masoandro », vinan’ny filoham-pirenena. Mirefy 2 000 km ity lalana ity, mampitohy ny any avaratra hatrany atsimon’i Madagasikara.
Mitotaly 159 000 ireo mpandeha fiaramadina nandritra ny roa volana voalohan’ny taona ka nandray ny sidina iraisam-pirenena ny 48% ny mpandeha. Nidina 25% ny salanisa azo tamin’ireo vanim-potoana ireo saingy nahafa-po raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Na izany, manohy ny ezaka hanatsarana ny tolotra ataony ny Aviation civile de Madagascar.
Miisa 19 ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Diana. Natao ny 8 avrily teo ny atrikasa fakan-kevitra hanatsarana ny torolalana fitantanana ny faritra voaaro. Nandray anjara tao ny Vovonana ho an’ny mpitantana ny Faritra arovana (PFGAP) sy ny tetikasa PA CIWT, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd.
Manampy amin’ny fanomezana toky momba ny kalitao, ny fiarovana ny tolotra, ny mponina, ary ny fampiroboroboana ny harena ifotony ny fenitra amin’ny vokatra iray. Nisy ny atrikasa natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra hanatsarana izany. Hatreto, miisa 2 171 ireo fenitra hifanarahana sy eken’ ny firenena afrikanina mahakasika vokatra maro.