Ravan’ny zandarimaria sy ny polisy, niampy ny tolo-tanan’ny fokonolona, ny fakana an-keriny nitranga tao Ambatoharanana, kaominina Tsaratanàna, ny alin’ny alakamisy 9 avrily teo. Dahalo efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’io fokontany io. Nalain’izy ireo, tamin’izany, ny renim-pianakaviana iray 50 taona. Nokasain’ireo olon-dratsy hoentina mandositra hatao takalonaina io lasibatra io, tamin’ny 11 ora alina. Tsy nanaiky lembenana, nanara-dia ireo mpaka an-keriny, ny fianakavian’ny lasibatra. Nihatrana ara-potoana koa ny zandary sy ny ekipan’ny polisy. Nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Niara-nisalahy tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona avy ao amin’ny fokontany telo manodidina, toa an’Ambatoharanana, Marofatika sy Amparihimaina. Tratry ny be no ho vitsy, nanao tari-dositra ireo mpanao ratsy. Vokany, avotra soa aman-tsara ilay renim-pianakaviana tamin’ny misasakalin’io andro io. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy, nozahana fahasalamana. Namafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ary karohina ireo mpaka an-keriny nandositra. Miantso hatrany ny fokonolona hampihatra ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ahafahana misoroka ny loza tahak’ity nitranga ity ny zandarimaria ao Tsaratanàna.
Tsiferana R.