Fanamboarana ny zotra an-tariby TPC: Vita ny 90% ny asa, hiditra amin’ny fe- petra tsy maintsy horaisina amin’izay

Efa maro ireo tsy mahandry ny handehanana amin’ny teleferika. Efa vita 90% ny asa, ho am-perinasa rehefa tomombana ny pitsopitsony rehetra. Andrana ara-teknika no tena atao sisa. Hapetraka ny orinasa hitantana ny fitaterana ary harafitra ny fepetra tsy hanohintohina ny fotodrafitrasa.

Nanao ny tatitra ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, tarihin’Andriama­nohisoa Gerard, fa efa vita ny 90% amin’ny asa fanamboarana ny zotra an-tariby miainga eo Soarano hatrany Amba­tobe.
Voahaja ny fe-potoana napetraka satria efa vita tanteraka ny fananganana ny fitaovana telo mampitohy an’­ Analamahitsy La City mihazo an’Ambatobe izay anisan’ny asa goavana natao ny volana marsa teo. Telo herinandro no nanaovana ny andrana teknika ary hiditra amin’ny andrana mizaka ny lanjan’olombelona amin’izay ireo fitaovana.
Arahi-maso amin’izany andrana izany ny kojakoja madinika rehetra, ny tariby… Efa mipetraka avokoa ny cabine 96 izay mihodina amin’io zotra io, ahitana ny elanelan’ny cabine tsirairay. Mahazaka olona 10 hatramin’ny 12 anaty cabine iray. Jerena ny rivotra ao anatin’ny cabine tsy hanempotra…
Miditra amin’ny fametahana ny fitaovana roa amin’izao fotoana ny ekipa izay miainga eo amin’ny La City Anko­rondrano mankeny Soarano. Nisy fahatarana kely ny asa noho ny fampiraharahana tamin’ny fametrahana ny station teo amin’ny S3 teo amin’ny Henri Fraise raha ny fanazavan’ny SENVH.
“Mila telo herinandro ny fametrahana izany tariby izany ho tomombana tsara. Telo herinandro aorian’izay indray ny fanenjanana ny tariby sy ny andrana ara-teknika. Aorian’­ izay dia vita manontolo ny fanamboarana ny fotodrafitrasa fitaterana an-tariby rehetra”, hoy ny fanazavan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, An­driamanohisoa Gerard.
Miisa 198 ny cabines hihodina hitatitr’olona amin’ny zotra volomboasary, miala eny Anosy hatrany Ambatobe. Cabines 27 ho an’ny zotra Anosy mihazo an’i Soarano, 82 mampitohy an’i Soarano mankeny Ankorondrano ary 89 ho an’Analamahitsy mankeny Ambatobe.
Miala eo Anosy ary mifarana eo Soarano ny fitaovana voalohany. Miainga eo Soa­rano mankeny amin’ny La City Ankorondrano ny ampahany faharoa, ary mi­ainga eo Ankorondrano mankeny Ambatobe ny fitaovana fahatelo. Tsy voatery mandoa vola intelo ny mpandeha fa mifindra gara fotsiny ihany raha mitohy ny dia.

Hisy ny saran-dalana fitsinjovana ny sosialy

Dingana manaraka ny ha­metrahana ny orinasa matotra hitantana ity zotran-tariby volomboasary ity. Notanana ny toky nomen’ny filoham-pirenena dia ny saran-dalana 3 000 Ar ho fitsinjovana ny rehetra. Mitsinjo ny maha olona amin’ny fampiasana
ny fitaterana. Mifameno ny olona manao famandrihana, abonnement, sy ireo mandoa isaky ny mandeha. Hojerena ny resaka tapakila. Ny olona rehetra mankany amin’ny hopitaly lehibe, toy ireo mpikarakara marary mivezivezy any amin’ny HJRA, Befe­latanana… ohatra dia asiana tapakila manokana ho azy ireny.
Ny mpianatra hotsinjovina manokana izay tena hanjifa ity zotra ity satria tsy ho lany fotoana amin’ny fitohanan’ny fiara intsony. Ny manao famandrihana manokana dia mandoa vola isam-bolana ary mivezivezy malalaka. Hisy koa ny tolotra maromaro hisian’ny fifandanjana amin’ny vola lany amin’ny fampihodinana azy sy ny vola ampidiriny. Mila paikady mazava ny fitantanana ny zotran-tariby mba tsy ho gaboraraka. Kanefa, tena hanampy ny mponin’Antana­na­rivo ary ho fotodrafitrasa maharitra ho lovain-jafy.

Hofaritan’ny didim-panjakana: Tsy maintsy apetraka ireo fepetra ho fiarovana ny fotodrafitrasa

“Ho fiarovana ny fotodrafitrasa teleferika izay nanaovan’ny fanjakana ezaka ho fanatsarana ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra dia tsy maintsy apetraka ireo fepetra maro. Amin’ny alalan’ny didim-panjakana no hanaovana izany”, hoy ny fanazavan’ny SENVH.
Apetraka ireo fepetra mahakasika ny asa fanorenana manodidina ny teleferika. Saro-pady tanteraka ka tena ilana fitandremana ny fampiasana ny drone izay mety hanelingelina ny fifamivoizana ana habakabaka. Ilana fahazoan-dalana manokana ny fampiasana izany.
Misy ny faritra fiarovana ny teleferika mba tsy hitera-doza. Ny poton’ny jirama efa misy 10m ny elanelany amin’ilay fotodrafitrasa ary efa nahisaka avokoa izany. Ny ambany kosa dia 6 metatra no elanelany amin’ny cabine mandalo.
Tsy hisy fanorenana na cable mandalo mihitsy mba tsy hanohintohina ny fotodrafitrasa. Ireo hanao fanorenana rehetra manodidina ny fotodrafitrasa dia mila mahazo fahazoan-dalana manokana avy amin’ny SENVH izay vao mahazo taratasy fahazoan-dalana hanorina raha manaja ny fepetra.
Elanelana 100m no tokony hampiasana ny drone ary mila mahazo fahazoan-dalana manokana any amin’ny ACM mihitsy vao mampiasa izany. Misy code tsy ho azo mihitsy raha hampiasa drone manodidina ny fotodrafitrasa.

Nanatontosa : Tatiana A

 

Partager sur: