Nihaona tany Paris Frantsa, omaly, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Efa herinandro izao ny filoha nasionalin’ny Tim no any an-toerana ary miseho izao fihaonana izao, andro vitsy mialoha ny hitsidihan’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara.
Niantso ho fanavotana ny firenena ny eo anivon’ny RMDM ka nanentana ireo depiote hanao ny asany. “Fotoana izao hijoroana miaraka sy hitsanganan’ireo solombavambahoaka tsirairay hanafoana ny fanomezana alalana hivarotra ny tanin’ny Malagasy mpiray tanindrazana amin’ireo vahiny”, hoy izy ireo tetsy Ampandrana, afakomaly.
Nanadio tanàna amin’izao handraisan’Antananarivo ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, afakomaly alina. Nifanome tanana ny kaominina amin’ny asa fanadiovana ny tao ambanin’ny Tunel Ambohidahy izy ireo, niaraka tamin’ny fokontany 44 ao amin’ny boriborintany I.
Nosalorana samboady, omaly, ireo ben’ny Tanàna miisa 24, eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo. Anisan’ny nitarika ny lanonana teny an-toerana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard. Teo koa ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery.