Fihaonana an-tampon’ny COI: Eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana

Andro isaina sisa ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony V eo anivon’ny COI. Amin’izao, eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana ankapobeny.

12 andro sisa… “Eo am-pamaranana ny fanomanana isika ankehitriny. Efa milamina avokoa ny lafiny arofenitra, ara-pitaovana… Dingana famaranana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravav­itafika, teny amin’ny Ivon­toeram-pibaikoana fikarakarana (CCO), Mahamasina, omaly, ny amin’ny fanoma­nan’i Madagasikara ny fandraisana fihaonana an-tampony V eo anivon’ny Vaomieran’ ny Ranomasimbe Indianina (COI). Ao anatin’ny fanaovana ny andrana rehetra koa izao, hijerena ireo toerana rehetra handraisana izay fotoan-dehibe izay. Tsy ny fihaonana an-tampon’ny COI ihany no horaisan’i Madagasikara, fa eo koa ny fandraisana vahiny manan-kaja, mialoha ny fihaonana an-tampony. Ao anatin’ny fanomanana ireo pitsopitsony rehetra ankehitriny.
Nisy ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sehatra tsy miankina teny Mahamasina, omaly. Haha­zoana manatontosa antsakany sy andavany ny hetsika. “Maro dia maro ny miara-miasa amintsika”, hoy izy. Na ny amin’ny fanjakana aza, tena betsaka: ny minisitera rehetra, ny fiadidiana ny Repoblika, ny fiadidiana ny Primatiora… Eo koa izay fiaraha-miasa sy ny fifanohanana amin’ny sehatra tsy miankina izay, hanamorana ny fikarakarana rehetra amin’ny fihaonana an-tampony.
Efa misy vahiny ho avy anio. Tsy ao anatin’ny delegasiona ofisialy izany, fa vahiny mpialoha lalana. Misava lalana ho an’ireo delegasiona ho avy eto Madagasikara. Misy ireo ao anatin’ny delegasiona ofisialy ho tonga tsikelikely manomboka amin’ny herinandro ambony. Efa ao anatin’ny fametrahana lamina amin’izay fandraisana izay ny CCO.

R. Nd.

Partager sur: