Tanterahina any Seoul Korea ny fihaonambe maneran-tany 2025, karakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana “Fédération de la paix universelle – FPU”. Miatrika izany, any an-toerana, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin.
Anisan’ireo nandaha-teny tamin’izany ny tenany. “Anisan’ireo foto-kevitra iorenan’ny fandriampahalemana maharitra ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena, ary ireo soatoavina maneran-tany, vato fehizoron’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana mirindra”, hoy izy. Nambarany fa miankina amin’ny fifandraisana mirindra eo amin’ny firenena ny fitoniana maneran-tany. “Ahafahan’ ny firenena tsirairay mandray anjara amin’ny fananganana hoavy mirindra”, hoy ihany izy. Lohahevitra amin’izany fihaonambe natao ho an’ny fandriampahalemana sy ny fandrosoana izany rahateo ny : “Fanamby ho an’ny lamina maneran-tany : fananganana vanim-potoana vaovao mirindra”.
Miisa 120 ireo firenena manatrika ity fihaonambe maneran-tany ity. Anisan’izany ireo olo-manan-kaja avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Nitohy omaly izany, amin’ny alalan’ny fivoriana iraisam-pirenena voalohany ho an’ny filohan’ny Antenimiera “ISC”.
Tsiahivina fa hitohy hatramin’ny 14 avrily ho avy izao ity fihaonana iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ity.
Synèse R.