Eo anelanelan’ny volana jolay sy aogositra, any Mahajanga, no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Manodidina ny 15 000 ny mpiasam-panjakana andrasana amin’ity fifaninanam-pirenena ho an’ny taona 2025 ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Ho fanomanana ny fifaninanana, nidina ifotony any Mahajanga ny ekipa mpikarakara tarihin’ ny filohany. Nijery ny fotodrafitrasa sy handamina ny fandraisana ity fifaninanana ity no anton-dian’izy ireo. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo manam-pahefana ao Mahajanga hanamora ny fiaraha-miasa mba hampizotra antsakany sy andavany ny fifaninanana nasionaly. Ny delegen’ny Asief ao Mahajanga no nihaona tamin’ny filoha sy ny ekipany, omaly, nahafahana nahafantatra fa ampy tsara handraisana ny fifaninanana ny fotodrafitrasa ao Mahajanga. Vao mainka mampilamina ny fifaninanana raha toa ka azo ampiasaina tsara ny Kianja mitafo vaovao.
Mi.Raz