Sarimiaina malagasy: Handeha amin’ny TV5 Monde

Tontosaina etsy amin’ny IFM Analakely, nanomboka omaly, ny andiany voalohany amin’ny “Festival international de film d’animation de Madagascar” na ny Fifam. Hetsika ho an’ny sarimiaina, izay efa manomboka mahazo vahana aty amintsika. Nampahafantarina nandritra izany ny « A la recherche du légume star», sarimiaina notontosain’i Louisette Ismaël Ratsivahiny, izay novokarin’ny Séléné Lotus any Suisse.
Mandalo eto ihany koa i Patrick Bofundo Ilingo, talen’ny TV5 Monde Afrique, izay nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa alefa amin’ny fahitalavitr’izy ireo ity andiana sarimiaina novokarina malagasy ity. Misy fizarana 13, maharitra 5 minitra avy izany. Sady handeha amin’ny TiVi5Monde hatramin’ny 23 avrily no handeha amin’ny TV5 Monde Afrique izany.
Miresaka ny nofinofin’ireo legioma anaty sarimaina, maniry ho eny ambilian’ireo ankizy ny tantara. Sady mampiala voly no manabe ireo ankizy, ankoatra ny fampahafantarana ny karazana legioma misy no tanjona. Mbola maro ireo tetikasa hafa iarahan’i Louisette Ratsivahiny miasa amin’ny TV 5 Monde ka anisan’izany ny sarimiaina lava kokoa, mitantara an’Ikotobekibo sy i Fara.

Zo ny Aina

Partager sur: