“Sevens challenger series” : Miady laharana sisa ny Makis de Madagascar

Tsy tafita intsony amin’ny “play off” ny Makis de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7. Indroa resy ry zalahy nandritra ny fifanintsanana tao amin’ny vondrona “B”. Fiadiana laharana sisa no andrandrain’izy ireo, anio.

Tsy mbola afa-bela nanoloana an’i Canada sy i Por­tugal ny Makis de Madagascar nandritra ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7, sokajy lehilahy. Fihao­nana notanterahina tany Kra­kow Pologne, omaly. Araka izany, tsy tafiditra hiady ny toerana amin’ny “Play off” intsony ny Malagasy.
Teo amin’ny lalao voalohany, efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao resin’i Canada, tamin’ny isa 29 no ho 24 ny Makis. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa 12 no ho 7 ny Makis ka anisan’ny nahatonga baolina nentin-tanana i Rado sy i Jean-Yves. Olana ho an’ny ekipa malagasy ny tsy fahaizana mitsara baolina. Efa tany amin’ny 10 segondra tsy hialana sasatra, sahala ho 12 sy 12 ny isa.
Fizaram-potoana faharoa, tokony ho mbola nahatsindry baolina ny Makis saingy votsotra teo amin’ny tolotra farany izany. Vokatr’izay, ry zareo kanadianina indray no nahavita “essai” ka nitarika ho 17 no ho 12. Nosahalain’ny Mala­gasy izany ka 17 mitovy ny isa. Na izany aza, nahatondra baolina nentin-tanana indray ny kanadianina izay voatsara ka lasa 24 no ho 17. Tsy nanaiky ny Makis fa 30 segondra tsy hiravana, nahatsindry baolina ihany koa i Rado izay voatsara ka 24 mitovy ny isa. Voatery niditra teo amin’ny fanalavam-potoana. Toa mbo­la natoritory ny Makis ka tafaporitsaka ny mpilalao kanadianina ary nahatonga baolina nentin-tanana, nahatonga ny isa ho 29 no ho 24.
Teo amin’ny lalao faharoa, fahadisoana tsy misy dikany no nandresen’i Portugal, tamin’ny isa 19 no ho 10. Nitarika tamin’ny isa 10 no ho 5 nefa ny Makis teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Saingy, nisy ny karatra mavo azon’i Rado ka nilalaovana 6, izay tena nahavoa ny Makis.

Tompondaka

Partager sur: