Hisy ny fampiofanana ho an’ny mpanazatra ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Ny 17 avrily izao no hanaovana izany, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hisy ihany koa ny fanazarantena nasionaly hatao amin’io andro io, raha ny fandaharam-potoana.
Hotontosaina ny 26 avrily izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thai. Hiavaka tanteraka ity fifaninanam-pirenena taona 2025 ity satria hisy ny fizarana traikefa omen’ny Maître Gildas ho fanatsarana ny fifaninanana sy hitondrany ny zava-baovao azony tany Thailande.
Araka ny fikarohana natao, tao anaty tambajotran-tserasera, fantatra izao fa notohizan’i Mohamed Salah, ejipsianina mpilalao baolina kitra hatramin’ny taona 2027 ny fifanarahana eo aminy sy ny klioba Liverpool FC Angleterre. Tsiahivina fa manana tanjona goavana ny haka amboara maro ao amin’ity klioba ity i Salah.
Mitohy hatrany ny fifaninanam-pirenena espaniola, ary efa miditra amin’ny andro faha-31 izy ireo. Hotanterahina anio ny lalaon’ny Leganes sy ny FC Barcelone. Hatao rahampitso kosa ny fifanandrinan’ny Deportivo Alaves sy ny Real Madrid FC, tompondaka faran’ity fifanintsanana ity.