Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika hikirakiran’ny rehetra vola sy ho fisitrahana angovo, indrindra any amin’ireo lavi-toerana. Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy ireo kojakoja niomerika natao ho an’ny rehetra na ny «Appareils numériques abordables» tanterahin’ny tahirim-bola «Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar» (Decim). Kendrena manokana ny hanamorana ny fifandraisan’ireo «terminaux numériques» miisa 664 000 ary natokana ho an’ny vehivavy ny 400 000 amin’izany. Mamatsy vola 24 tapitrisa dolara ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Manatanteraka ny asa kosa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). «Tanjona ny hisitrahan’ny isan-tokantrano ny teknolojia sy ny angovo», hoy ny minisitra Stephanie Delmotte, teny amin’ny Digital Center Antaninarenina. Misy, araka izany, ny «guichet unique» hamarotana ireo kojakoja niomerika misy «internet» ka hisokatra ny 22 avrily ny antso an-tetikasa ho an’ireo maniry hanaparitaka izany.
Teknolojia
Hitondra fanovana eto amin’ny firenena ny tetikasa, noho izy hanampy amin’ny fahaleovan-tena ara-bola ny vehivavy. «Heverina fa hanampy ny vehivavy hanodina ny orinasa ny tetikasa, indrindra ho an’ireo any ambanivohitra», hoy hatrany ny minisitra. Ankoatra izay, sehatra iray ahafahan’ireo tambajotram-pifandraisana mampidina ny saran’ny «data mobile» sy hampiroborobo ny fampiasana izany ny tetikasa.
Henintsoa