Taorian’ny orambe: Niakatra avokoa ny renirano telo

Nanambara ny Apipa tamin’ny filazana momba ny fandehan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo fa niakatra 0,16 m ny reniranon’i Sisaony, eo amin’ny maridrefin’Andramasina, omaly maraina, tao anatin’ny 24 ora ka mahatratra 0,95m ny haavony. Tombanana hidina kosa ny haavony ho an’ny 12 ora manaraka. Niakatra koa ny haavon’Ikopa ka 1,42m izy eo Ambohi­manambola. Nahitana fiakarany ny rano tao anatin’ny 24 ora ary mbola hitohy hiakatra izy ao anatin’ny 12 ora manaraka. Nitombo koa ny reniranon’Imamba eo Ambohidroa satria 0,90m izany, izay niampy 0,05m ny haavony tao anatin’ny 24 ora.
Mbola manankery hatramin’ny omaly ny fampitandremana miloko mena: ho an’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano, Andramasina, Manjakandriana, Moramanga, Anosibe an’Ala, Marolambo. Manampotsy, Vatomandry, Mahanoro momba ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Mety hahatratra 30 hatramin’ny 50mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora.

Vonjy

Partager sur: