TARATRY ny KANTO

«THB Mifety», eny amin’ny Naturia Palm Ambohidrabiby. Roa andro an-danonana, ary anisan’ny nandrasan’ny maro hanokafana ny fialantsasatry ny Paka eto Antananarivo izy ity. Hanafana ny anio ny tarika AmbondronA. Hanohy izany rahampitso kosa ny tarika Zandry Gasy. Fialamboly ho an’ny mpianakavy no tanjona amin’ny hetsika.
Raha efa niaina ny mozika atosika amin’ny fitaovana elektrônika tao anatin’ny taona maromaro ry zareo vahiny. Ny an’i Madagasikara vao manomboka. Na izany aza, maro ny tsy mankasitraka azy io ny firenena tatsinanana. Ahina hizara roa miavaka tsara ny hira atsy ho atsy. Ao ireo mampiasa ny fitaovana
tsotra.
Misy hatrany ireo diso hevitra momba ny atao hoe “mozika klasika”. Tsy vitsy ny manasokajy azy io ho mozika avy any ivelany. Raha atao dika malalaka anefa, saika avy ao avokoa ny ankamaroan’ny fototra mampijoro ny mozika iray manontolo. Manana azy io avokoa ny firenen-drehetra. Tombony lehibe, manokatra ny vavahadin-tsaina izy io.
Manana izay heveriny fa kanto ny mpamorona. Na izany aza, misy fefy tsy azo ihoarana. Iray amin’ireny ny soatoavina. Rehefa io no alefa eo anoloana, tsy tokony hisy adihevitra ny maha kanto na tsia ny zavatra ataon’ny mpamorona. Anisan’ny antoka mampaharitra ny kanto iray ny fanajana ny soatoavina. Tsy azo atao tery vay manta ny kanto manaja ny soatoavina, satria, ny soatoavina samy manana ny azy ny fianakaviana, ny foko, ny mpiara-monina, sns.

Partager sur: