Mahakivy tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky no handrenesana sy ahitana faty olona etsy, razana eroa. Mitsitsitra sanatrian’ny vava, tsy misy vidiny ny ain’olombelona. Ny tena mampihaiky volana dia ity fomba feno fahasahiana sy feno habibiana hataon’ny olon-dratsy. Ankoatra ny fantatra mazava ny antony dia mampiahiahy ny mety ho fisian’ireny mpamono olona fahatany ireny.
Tsy misy aloha ny porofo mahakasika ity farany fa izay tranga miseho dia misy fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana ny ankamaroany. Lonilony sy valifatin’ny samy mpiara-monina, na fitiavam-bola diso toerana ny an’ny ankamaroan’ny tranga miseho. Mampalahelo fa mivadika tanteraka ny zanakatidohan’ilay Ramalagasy.
Ilay adim-piainana ve no mahatonga izany? Efa hita ho mivahavaha rahateo ny ankamaroan’ny olona. Ireny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana tamin’ny faramparan’ny taona 2024 ireny dia manamarina izany. Voalaza fa Malagasy iray amin’ny roa no miaina anaty fikorontanan-tsaina.
Efa mena ny voalazan’ny antontanisa raha izay no zohina akaiky. Mampieritreritra hoe mandeha mankaiza izany ny fiarahamonina misy antsika? Miha mitombo isa ny tsy salama saina mandry an-dalàna sy mirenireny manerana ny tanàna. Miandahy miam-bavy ny olona very saina sy fanahy, ka mety hisy ifandraisany amin’ireo fandatsahan-dra tsy misy tahotra ireny.
Raha fehezina ny zava-misy dia tsy misy vidiny intsony ilay hasina maha olona eto Madagasikara. Mitaky fahatsapan-tena sy fandraisana andraikitra amin’ny tsirairay izany. Mikororosy ny zava-drehetra, mikodiadia midina ny fomba fiainana sy ny fomba fisainana. Miara-mirona tsy mankany amin’ny tsara fa miara-mivarina any an-kady. Miiba avokoa izay hatao hany ka na ilay aina aza efa toa tsisy vidiny intsony!
r.r