Nivoitra tamin’ny fihaonana tany Toamasina, omaly, ny fanatsarana ny fampananana asa ho an’ny tanora sy ny hamerenana ny lafiny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’ny tany an-toerana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa, Razakaboana Hanitra. Niatrika izany koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ahitana mpandraharaha ary ireo orinasa vaventy. Nambaran’ny minisitra fa “tanjona ny hametrahana tetikady mahomby hanomezana asa ireo tanora tsy an’asa any an-toerana”. Naneho fahavononana hanome fianarana asa ho an’ny tanora maniry hampitombo traikefa hoenti-miatrika ny tontolon’ny asa ireo orinasa ao an-toerana. Nisongadina koa ny maha zava-dehibe ny fifandraisana amin’ireo vondrona maro samihafa.
Etsy andaniny, « voaresaka ny fanentanana sy fanoroana ireo tanora ny lalana ho any amin’ny asa, mifanaraka amin’ny fahaiza-manaon’izy ireo eny anivon’ny fokontany », hoy ny minisitra. Nampanantenaina azy ireo fa hisy ny fampiofanana arakasa fohy ezaka hatokana ho azy ireo. Kendrena amin’izany ny hanatsarana ny fahafahan’izy ireo mamaly ny filana eo amin’ny tsenan’ny asa.
Hisokatra koa ny Tranoben’ny asa sy ny fampiofanana arakasa ho an’ny faritra Atsinanana (Mefra). « Hanampy ireo tanora amin’ny fitadiavana asa izany. Mbola hisy koa ny vinan’asa fohy sy lavitra ezaka hapetraka mba tena ho azo tsapain-tanana izao fiaraha-miasa izao », hoy ireo nandaha-teny.
Synèse R.