Hatsangana ny fotodrafitrasa, toby mpihary herinaratra vaovao, eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105 MW. Hanomboka amin’ny 24 avrily izao ny asa, satria efa tonga eny an-toerana daholo ny ankamaroan’ny fitaovana sy ny kojakoja ilaina. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny vondrona mihary herinaratra avy amin’ny tsy miankina.
Natsangana ny tanimboly ho vala fitaratra, hoenti-manatanteraka ny fitantanana maharitra ny tany any Andranomiditra, Endritany Valanony, faritra Matsiatra Ambony. Anisan’ny hampiharina any ny fambolen-kazo, ny ala vadim-boly, ny fandrakofana fambolena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tefiala izy ity, entina hiofanan’ny tantsaha.
Nakarin’i Sina ho 125% ny haba alaina amin’ny entana avy any Amerika rehefa nakarin’ny filoha Donald Trump ho 145% ny haban-tseranana alaina amin’ireo entana avy any an-toerana. Tsy ara-dalàna ary manitsakitsaka ny lalàn’ny varotra iraisam-pirenena, hoy ny sinoa, ny fametrahan’i Etazonia haban-tseranana ambony loatra.
Tsy mitsaha-miakatra ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Nanomboka ny alatsinainy teo, maherin’ny 5 000Ar ny sandan’ny euro iray. Ahina hiantraika eo amin’ny vidim-piainana sy ny toekarem-pirenena ny zava-misy. Hiaraha-mahalala fa mbola miankindoha amin’ny fanafaran’entana i Madagasikara.