Yearbook 2024-2025 : Nivoaka ny Tatitra ara-toekarena vokarin’ny EDBM

Misy, ankehitriny, ny Tatitra ara-toekarena azon’ny mpampiasa vola jerena, mirakitra ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Hita ao daholo ny antontam-baovao mahaliana ara-potoana sy marina.

Nampahafantarina ny alakamisy 10 avrily teo ny fivoahan’ny gazety boky Yearbook, mirakitra ny tatitra ara-toekarena ho an’i Madagasikara 2024-2025. Namokatra azy ny Antokon-draharaha EDBM, notohanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Vondrona eoropeanina (UE) ary ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ao ana­tin’ny Tetikasa fanarenana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM, Randriamandranto Joël, fa “ao anatin’ity tatitra ity daholo ny valin’ireo fanontaniana na koa ny vaovao mahaliana ny mpandraharaha rehetra eto an-toerana na ny vahiny maniry hampiasa vola eto Ma­dagasikara”.
Aseho amin’ny endrika antontanisa ny antontam-baovao tena manan-danja na mi­songadina sasany na koa amin’ny ankapobeny. Eo koa ny sehatra manan-danja na mahaliana amin’ny fandraharahana. Hita ao ny fanavaozana napetraky ny fanjakana amin’ny fandraraharana, na koa ny paikady hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara.

Paikadin’ny fanjakana
Navoitran’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), Rabarinirinarison Rin­dra, ireo venti-kevitra lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) sy ny vina ho avy ho tanterahina. Toy ny fanamorana ny lafiny ara-ketra, ny sehatry ny fambolena sy ny jono hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary ny fizahantany sy ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany, sns. Anisan’ny tanjona ny fifanakalozam-barotra ma­lalaka (tsy andoavana haba) anaty tsenam-paritra, toy ny Sadc, ny Comesa, ny Zlecaf, sns.
Nijoro vavolombelona ta­min’ireo mpanatrika ny mpandraharaha na orinasa tsy miankina vitsivitsy nizara ny fahombiazany sy ny tombony azo amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Toy, ny Rio Tinto QMM, ny Atlantic Group, ny Star, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: