Roa lahy voatondro ho nanao asa fanendahana voatsatok’antsy tao Tsarahonena, kaominina Alakamisy-Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny zoma 11 avrily teo. Samy naratra nivoa-dra, izy roa lahy. Nitaraina ho niharan’ny fanendahana ny raim-pianakaviana iray ka tsy hita ny telefaoniny. Tsy nanaiky io lasibatra io. Ireo roa lahy izay mponina ao anatin’ny fokontany sy tsy vaovao aminy no nahiana ho naka ny findainy. Nitondra zava-maranitra nikasa hamono ireo ahina ho nanao ny asa ratsy taminy ilay lasibatra. Raikitra ny ady vantany tafiditra tao amin’ny tanàna nisy lay lehilahy noheverina ho nanendaka azy ity farany. Vaofira antsy ireo roa lahy voatondro ho nanendaka. Voa teo amin’ ny sorony ny iray ary teo amin’ ny kibony ny namany. Nesorina teny anivon’ny hopitaly ny antsy izay tavela tao amin’ny kibon’ity farany. Nentina nanaraka fitsaboana ireo roa lahy naratra. Efa niverina eny anivon’ny fianakaviana taorian’izay. Tsy mpanao asa fanedahana raha teo izy ireo, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Miantso ny mpitandro filaminana hijery ifotony ny tranga tahak’izao sy hanao fisafoana eny an-toerana mba hanara-maso ireo tena mpanao ratsy eny amin’iny faritra iny ireo mponina.
Tsiferana R.