Arabe migodana: Ireo voakasika mivantana ihany no hoesorina

Mitohy ny asa amin’ny ampahany voalohany mirefy 80 km (Antananarivo-Anjo­zorabe) ao anatin’ny fanatanterahana ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nidina teny Tsarasaotra (PK0) ny minisitry ny Asa Vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny alakamisy 10 avrily teo.
Araka ny tinapaky ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 9 avrily, hirosoana ny dingana fandoavana ny onitra ho an’ny olona tompon-tany voakasiky ny asa. Nambaran’ny minisitra, fa manomboka eo Tsarasaotra PK0 ny dingana voalohany hatreo amin’ny PK3,5, mandalo an’Amba­tolampy Tsimahafotsy hatrany Ambohimanga Rova. Nota­terin’ny minisitra fa toromariky ny filoha Rajoelina Andry, mba ho ny olona voakasika mivantana ihany no esorina. Afaka manohy ny famboleny kosa ireo manamorona ny soritry ny lalana, izay voly tsy maharitra, saingy tsy afaka manao fanorenana, toy ny trano, ohatra.
Fanaon’ny  minisitra Rafidison Richard ny midina ifotony isam-bolana toy izao, vonona hifanome tanana sy manome vahaolana ho an’ny orinasa Samcrete, raha misy ny sakantsakana tsy ahafahany manenjika ny tetiandro napetraka. Mitsinjo ny tontolo iainana, ny sosialy ary ny fiveloman’ny tantsaha, ny asa rehetra atao.
Fantatra fa ho avy tsy ho ela eto Madagasikara ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’Afrika (Badea). Hamantatra sy handamina ny hatao rehetra, hanafainganana ny famoaham-bola ny fanamboarana ny tapany faharoa amin’ny ampahany 80 km.

Njaka A.

Partager sur: