DAKA AN-JORONY: Toy ny vomanga an-kady ity izy

Toa zary lasa vazivazin’ny olona amin’izao fotoana izao, ny kianjaben’ny Mahamasina. Tsy ny habeny sy ny hatsarany akory fa ilay teny malaza be hoe : «homologué». Rehefa misy zavatra aton’ny olona ka tsy tafavoaka dia lasa sinangy ny filazana fa tsy nahazo fankatoavana na «homologué» ny kianja. Sady maharary no mahamenatra mieritreritra izany. Toy ny vomanga an-kady mantsy ity izy, amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy.
Na eo aza izany, tsy vitsy ireo manantena fa hisokatra ihany io indray andro any. Na tsy mbola fantatra izay fotoana izay dia toy ny didy maso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa. Efa miezaka kosa ny tomponandraikitra manao izay ho afany. Tsy matory andro, tsy matory alina fa miketrika izay hahazoana ny «homologation». Tsy lavitra eo koa anefa ireo mpamendrofendro fa na hiolan-kavia na hiolan-kavanana, tsy avotra io. Amin’izy ireo izany dia toy ny vomanga an-kady io kianjaben’ny Mahamasina io, amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy.
Ny mpankafy kosa etsy an-kilany, hita fa sahirana nefa toa miramirana. Toa miandry ny tsy misy, miventso mangina fa mbola tena tia, mandrakizay doria. Tsy mbola any anefa izy ankehitriny fa toy ny vomanga an-kady ihany, amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy. Indrisy fa mifampitazana sisa ataon’ny rehetra ka na fafazana tafiotra sy rivotra miriotra ka nefa ny tarehy, mbola mihomehy.
Mampalahelo fa na ho an’ny fifaninanana eto an-toerana aza, tsy mahasahy manofa azy io ny mpikarakara fifaninanana eo anivon’ny ligy sy ny federasiona satria lafo loatra ka toy ny vomanga an-kady, amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy. Toy ny langilangy zozoro, midoboka ihany fa maivana ireto mpisehatra manoloana izany.

Tompondaka

Partager sur: