Depiote Ratsiraka Sophie : « Tsy azo ekena ny tsy fahamarinana »

Nitondra fanazavana manoloana ny « Raharaha Vato­mandry », ny depiote Ratsiraka Sophie. Mazava ny nambarany. « Tsy manome lamosina ny fanjakana aho fa manome lamosina ny tsy fahamarinana », hoy izy. Niarahaba ireo ben’ny Tanàna lany tamin’ny fahamarinana sy fomba ara-dalàna sy ara-demokratika ny tenany. Nankahery kosa ireo tsy lany nandritra iny fifidianana farany teo iny. Nambarany anefa fa nosamborina sy nampidirina an-tranomaizina ny ” Assistant Parlementaire ” miaraka anakiray nandritra ny hetsika nataon’ny fokonolona ho fanoherana ny fametrahana samboady an’ ireo ben’ny Tanàna miisa roa, ny sabotsy teo.  Tsy lanim-bahoaka araka ny vokatra navoakan’ny Ceni ireo, araka ny nambarany. « Naka sary ny hetsika no nataony anefa nosamborina sahala amin’ny olon-dratsy satria tsy azo atao hono ny maka sary », hoy izy. Miisa telo ireo voasambotra araka ny nambarany hatrany.
Notanisainy koa fa nisy kilemaina ihany koa noratrain’ny filohan’ireo ben’ny Tanàna. Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana anefa arirarira fa tsy maintsy miandry torolalalana avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana vao afaka manokatra ny fanadihadiana ny fitsarana any an-toerana. Efa misy porofo sy ” certificat médical ” mazava anefa izany, araka ny nambarany. « Miady amin’ny tsy rariny Vatomandry ary miaro hatrany ny safidim-bahoaka », hoy izy

Synèse R.

Partager sur: