Disciples FC : Nanokatra botika ho an’ny mpankafy azy

Nampahafantarina ny zoma teo, tetsy Ankadindratombo, ny fisokafan’ny botika Disciples FC Store. Tranom-pivarotana akanjo sy fitaovana baolina kitra, izay nataon’ny Disciples FC Vakinankaratra ho an’ireo rehetra mankafy azy ireo sy ny mpitia ny taranja baolina kitra. Tanjona amin’izany ny hidirana amin’ny sehatra matihanina, ny hampivelarana sy ny hampandrosoana ny klioba, ary indrindra hanomezana fahafaham-po ireo mpanohana.
Raha filazan’ireo tomponandraikitra ao amin’ity klioba ity, ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika isan-tarika, izay nifanandrinana tamin’ny Orlando Pirates, no nampitsiry ny hevitra. Marihina fa nanjaka ny Disciples FC tamin’ny fifanintsanana nasionaly ny taona 2024 lasa teo. Tompondakan’ny « PFL 2024 », nandrombaka ny amboaran’ny U20, laharana voalohany teto Madagasikara, nandritra ny Futsal izay natao tany Toamasina, ny volana marsa lasa teo. Araka ny fikarohana natao, ny fanokafana botika tahaka izao no mampivelatra sy manampy ny fidiram-bolan’ny klioba any ivelany. Manana izany avokoa ireo klioba matanjaka toa an’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid ary ny PSG, Arsenal FC sy ireo klioba eoropeanina rehetra misongadina amin’izao fotoana izao.

Fitia Randria

Partager sur: