Efa nitondra anjara biriky ary mbola hanao izany ho fampandrosoana ireo tanora avara-pianarana any Antalaha ny « Jeunes Cadres d’Antalaha – JCA». Hanao hetsika izy ireo ho famatsiam-bola ny tetikasa ho an’ny mponina.
Tafiditra amin’ny fampivoarana ny fiainam-piveloman’ny mponina any amin’iny faritra iny ny hetsika fanangonam-bola hataon’izy ireo. Hotanterahina eny amin’ny Hôtel 5 étoiles Ivato ny andiany voalohany « Nuit de la Vanille », hafanain’ny tarika Jaojoby ny 9 mey izao.
Efa nanohana sy nanampy ny sehatra rehetra tany Antalaha ny JCA, hatramin’ny nitsanganany. Anisan’izany ny fanolorana fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy ho an’ireo sekoly any an-toerana sy ireo tanora. Efa nanao hetsika sosialy teo amin’ny lafiny fahasalamana koa izy ireo tamin’ny alalan’ny « Tolo-tagnana » nanaovana fandidiana ny taona 2012 sy ny 2014, ho an’ny faritra Sava, indrindra tao Antalaha. Maherin’ny 400 ireo nisitraka izany.
Mivonona ny handeha lavitra kokoa izy ireo amin’izao hetsika izao ho fanatsarana sy fampivoarana ny tanàna. Natao hisarihana ireo mpizahantany izany sady ho endriky ny tanàna koa ary ho tombony ho an’ny mponina raha ny nambaran’ny mpitarika sy ny mpandrindra ny JCA, Jaonary Nerapide.
Araka izany, ho avy sy nasaina amin’izao hetsika izao avokoa ny mpanapa-kevitra sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina. Hiahy izany kosa ireo tomponandrakitra ambony ara-politika sy ara-toekarena. Fotoana iray koa io hihaonan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila. « Maneho ny maha izy azy an’Antalaha sy ny maha renivohitry ny lavanila azy maneran-tany ny anton’ny nisafidianana ilay hetsika « Nuit de la Vanille » io », hoy ihany izy ireo. Nanteriny fa ilaina ny fandraisana anjaran’ny tanora ho fampandrosoana an’Antalaha ka iantsoana ny rehetra izany hiaraka hijery ny hoavin’ny tanàna, araka ny nambarany.
Synèse R.