Niatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimiera (ISC) tany Korea Atsimo ny filohan’ny Antenimierampirenena malagasy, Tokely Justin. Navoitrany tamin’ny lahateny nataony fa olana lehibe ny fiovana maneran-tany.
Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny fivorian’ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ireo filohan’ny Antenimiera. Anisan’ireo niatrika izany tany Séoul ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin.
Nitondrany fanazavana tamin’ny lahateniny ny lohahevitra : “Ny fiovana eo amin’ny lafiny demografika sy ny fepetra momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena manoloana ny krizy ara-toetr’andro”. Novelabelarany tamin’izany fa misy fiantraikany amin’ny sehatra maro ny fitomboan’ny mponina haingana. « Miantraika amin’ny tany fambolena, ny fisitrahana rano fisotro madio, ny fotodrafitrasa ary ny tolotra ara-tsosialy izany », hoy izy. Nohamafisiny fa mbola manampy trotraka izany ny krizy ara-toetr’andro izay miseho amin’ny alalan’ny fitomboan’ny faritra karakaina sy ny fiakaran’ny ranomasina. Tafiditra indrindra ao anatin’ireo firenena afrikana voakasik’izany i Madagasikara, araka ny nambarany. « Olana lehibe entin’ireo fiovana maneran-tany ireo avokoa izany », hoy izy.
Na izany aza, nampahafantatra ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana malagasy ho fiatrehana ny olana mifandraika amin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena. Notsiahiviny manokana ny anjara toerana lehibe tokony ananan’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ity ady iaraha-miatrika ity.
Nankasitraka manokana ny fandraisam-pitenenany ireo niatrika izao fihaonana iraisam-pirenena izao noho ny tamin’ny famaritana nataony momba ny zava-misy maneran-tany sy ny aty Afrika.
Synèse R.