INDRAY MIJERY

Ho fisorohana sy fandraisana an-tanana ny fahatapahan’ny lalandra na ny fahatsentsenany no lohahevitra novoizina nandritra ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, izay natao teto Antananarivo. Nisy ny fifandraisana ampitain-davitra ho an’ireo faritra hafa ankoatra an’Analamanga. Nifanakalo hevitra ny samy mpiasan’ny fahasalamana izay entina hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana eny ifotony.
Miditra amin’ny herinandro masina ny fiangonana, manomboka anio. Misy ny fotoam-bavaka isaky ny hariva iarahan’ny mpino kristianina hiomanana amin’ny Paska. Mila mailo ihany ary tokony hisy ireo mpiandry trano ialana amin’ny fanararaotan’ny mpanao ratsy. Rehefa mirava avy mivavaka ihany koa dia tokony hitandrina indrindra amin’ny lalana mangina.
Miditra amin’ny fialantsasatry ny Paska ny mpianatra amin’ity herinandro ity. Any amin’ny 28 avrily any indray vao miverina an-dakilasy. Vita ny roa volana fahadimy ary mamarana azy ny roa volana farany, izay iatrehana ny fanadinam-panjakana sy ny fifindrana kilasy. Tsy tokony ho varimbariana, araka izany, any anaty fialantsasatra fa manao famerenana hatrany.
Nitsidika ny Akamasoa ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faran’ny herinandro teo. Ray aman-dreny modely sy fitaratra amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny mompera Pedro ka nankasitraka azy ny minisitra. Nankahery azy amin’ny asa soa ary nirary soa ireo ankizy beazina ny minisitra.

Partager sur: