Fahombiazana tanteraka no azon’i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, taranja Kick Boxing. Fifaninanana notontosaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy 12 avrily lasa teo. Amboara 9 be izao no norombahan’ny Malagasy mpikatroka tao anatin’ny ady 12 nitranga. Malagasy mpikatroka 3 kosa no voahosotra ho tompondaka lefitra. Tsiahivina fa mpikatroka Maorisiana sy Renioney no tonga teto Madagasikara naka traikefa tamin’ny Malagasy. Hita taratra tamin’ity fifaninanana ity fa manana ny maha izy azy tanteraka ny Malagasy mpikatroka ny taranja kick boxing ary misongadina eto amin’ny ranomasimbe Indiana. Ady anisan’ny nafana ny fifandonana amin’i Mostepha (MAD) sy Adriano (MAU) izay nahazoan’ny Malagasy ny fandresena. Marihana fa anisan’ny hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany i Mostepha rehefa nahazo ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2024.
Mi.Raz
Ireo vokatra :
Fidèle (MAD) nandresy an’i Fulbert (MAU)
Wayne (MAU) nandresy an’i Sarobidy (MAD)
Jessica (MAD) nandresy an’i Nellia (MAU)
Hilaire (MAD) nandresy an’i Wesley (REU)
Mamisoa (MAD) nandresy an’i Stéphane (REU)
Pifarely (REU) nandresy an’i Franck (MAD)
Jonathan (MAD) nandresy an’i Hamadi (REU)
Ravina (MAU) nandresy an’i Eric (MAD)
Nalidah (MAD) nandresy an’i Stania (MAU)
Mostepha (MAD) nandresy an’i Adriano (MAU)
Anthony (MAD) nandresy ( no-show)
Birinod (MAD) nandresy an’i Alexandre (MAU)