Anisan’ny ahalalan’ny any ivelany an’i Madagasikara, hono, ny hoe moramora. Mba marina? Samy mandini-tena, mitsara… Eo koa ny hoe am-boalohany ihany rehefa mandeha na manao zavatra. Afo-mololo? Nefa misy ny fiteny malagasy izay hoe ny hazakazaka tsy dia: tsy mahalasa lavitra ny fihazakazahana tsy amin’ny antony. Maika tratran’ny miadana. Nahoana? Na tsy fantatra na tsy voafaritra mazava ny tanjona, na tsy misy teti-potoana mazava… Hany ka mandeha an-jambany, maika tsy faingana… Rehefa mandeha dia izay, fa tsy fantatra hoe ahoana.
Azo anombanana izany ny fiovan-kevitra tampoka eny an-dalana, tsy vita hatramin’ny farany izay natomboka dia mivadika zavatra hafa, tsy ny asa vita tsara sy lavorary no inona fa ny hoe miasa tsy misy fiatoana… Indraindray, lasa fisehosehoana… Dia sasatry ny miarina sy manarina… Mandra-pahoviana? Izay no efa nahavoa hatramin’izay. Fanamby amin’izao ny hoe tanterahina izay lazaina, vitaina izay natomboka. Marina sa tsy marina? Eo ny vahoaka mahita sy mitsara izay iainany isan’andro mandavantaona: efa misy fihatsarana ve, ohatra, ny fiainana?
Tsy vita indray andro ny fampandrosoana, tsy vita raha tsy ifanakonana. Mby amin’ny ohabolana afrikanina hoe: raha te handeha haingana ny tena, mandeha irery; raha te ho lasa lavitra, miaraka amin’ny maro. Mila mandeha haingana ho lasa lavitra amin’izao? Maika avokoa ny zava-drehetra marolafy: tsy miandry ny tsy afaka, na tsy te handeha. Ny mandeha tsy mitavozavoza no mahalasa lavitra. Izay heverina ho sakana no itsambikinana hahavitana dingana, izay sintona mampidina na mampihemotra no andehanana mafimafy kokoa… Hitsara ny tena amin’izany ny hoe: atao izay lazaina, lazaina izay atao. Tsy mandeha an-jamba, na manao afo-momolo.
R. Nd.