Rugby – “Sevens Challenger Series” : laharana fahadimy ny Makis de Madagascar

Na tsy tafakatra tany amin’ny “play off” aza ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7. Nahita vokatra tsara ihany izy ireo, ka nahazo ny laharana fahadimy.

Tsy nitsanga menatra ny Makis de Madagascar, omaly, tany Krakow Po­logne. Laharana fahadimy tamin’ny fifaninanana “Sevens Challenger Series”, taranja rugby lalaovin’olona fito ny Malagasy, tany an-toerana. Raha hiverenana ny vokatra azon-dry zareo omaly, resin’ny Makis tamin’ny isa, 40 no ho 17, i Tonga. Taorian’io lavon’ny ekipam-pirenena malagasy, 24 no ho 14, i Chili, nandritra ny famaranan’ny laharana fahadimy.
Tsara ny mampahatsiahy fa faharesena roa sy fandresena telo izany no vokatra azon’ny Makis tamin’ity fifanintsanana ity. Efa niondrika teo anatrehan’ny Canada, 29 no ho 24, i Madagasikara, ary noresen’i Portugal, 10 no ho 19 indray ry zareo. Teo amin’i Japon kosa, no nanomboka niatsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Resin’ny ekipa nasionaly malagasy, 26 no ho 12, ny mpilalao japoney.
Ampahafantarina ihany fa sambany teo amin’ny tantaran’ny rugby malagasy, ny Makis no tonga amin’ny sehatra ambony toy izao. Araka ny hita omaly, nampihaiky ny maro ny endri-dalao nasehon-dry Jean Yves sy ry Rado. Randriamalala Jean Yves, mpilalaon’ny FTM Manjakaray, no azo lazaina fa anisan’ny tena atleta mendrika nandritra ity fifaninanana Challenger Series ity, nampiavaka azy tamin’ireo namany moa ny hafainganam-pandehany.
Marihina fa raha nanao Playoff ny Makis, tafakatra avy hatrany any amin’ny dingana farany, izay natao tany Los Angeles Etazonia.
Ampatsiahivina ihany fa fotoana maro no nanomanan’ny Malagasy Rugby, iny fifanintsanana iny ary azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra azon’ny Makis Sevens, tamin’ity taona ity. Raha ny vaovao voaray, omaly, hotsenaina rahampitso amin’ny roa ora folakandro ny Makis.

Fitia Randria

Partager sur: