Sabotsy Namehana : Ankizy mirahalahy niara-maty an-drano

Niara-namoy ny ainy, ankizilahy roa izay 11 taona sy 12 taona tao Sabotsy Namehana, ny sabotsy 12 avrily teo. Zanak’olona mpirahavavy iray tampo izy ireo.

Vatana mangatsika an’ireo ankizilahy roa sisa no nalain’ny mpiara-monina azy ireo tao anaty dobo, tao amin’ny fokontany Amorondria, kaominina Sabo­tsy Namehana, distrikan’Ava­radrano, afakomaly. Niara-nilalao izy roa lahy rehefa namonjy raharaham-pianakaviana ny ray aman-dreniny. “Zanak’olona mpirahavavy iray tampo izy ireo”, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary eo anivon’ny to­bim-paritra Sabotsy Name­hana. Nanararaotra ny fotoana tsy naha teo an-toerana ny lehibe noho izany ireo ankizy ireo. Nidina teny an-tsaha ka nanala akanjo. Nanandran­kan­­drana nilalao rano tao anaty dobo takony ho tamin’ny 11 ora maraina. Tsy mbola misy nahay nilomano, samy nanao izay saim-patany tao anatin’io dobo io izy mirahalahy. Ni­lentika tampoka, samy tsy nahavonjy ny tenany intsony ireto farany.

Tsy tana ny ainy

Samy nanao izay ho afany nivoahana ilay dobokely izy roa lahy, araka ny loharanom-baovao saingy tsy nahavita. Tazan’ny olona manodidina fa nisy tranga hafahafa ka nifampitaona namonjy ireo niharan-doza izy ireo. Nakarina tao anatin’ny dobo ireo ankizy roa ireo. Nantsoina ny sefo fokontany sy ny manam-pahefana. Nozahan’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII ireo roa lahy. Voamarina fa maty an-drano izy ireo. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka taorian’izay. Mila mitandrina hatrany ny ray aman-dreny amin’ny fanaraha-maso ny ankizy hisorohana ny loza tampoka tahak’izao, hoy ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: