Nanolotra ny « Kabary Hybride » i Orad na i Rado Ravalison. Ny sabotsy teo izany, tetsy amin’ny Fondation H Ambatomena. Tafiditra anatin’ilay fampirantiana Iraisam-pirenena « Safiotra », izay nisokatra tamin’iny faran’ny herinandro teo ihany koa koa izany. Kabary nenti-paharazana, saingy amin’ny teny malagasy, frantsay ary anglisy no nozarainy nandritra izany.
Raikitra ny fifaninanan-kira « Tour Menakafe », any amin’ny faritra Fitovinany. Hatao isaky ny Distrika ao amin’ny faritra izany, ka Ikongo no hanomboka azy ny 19 avrily izao, ao amin’ny Kaominina Ifaniria. Hifanandrina aza ny Manakara izay tafakatra aorian’izay.
Hampahafantarina ny fikambanana Ony. Ao anatin’ny hetsika « Festival International d’animation », na ny Fifam izy ity. Mampianatra sy mampiofana mahakasika ity sehatra ity mantsy ny fikambanana, ankoatra ireo sehatrasa hafa hiasany. Hotontosaina ny alarobia 16 avrily izao izany, manomboka amin’ny 9 ora, ao
amin’ny IFM Analakely.
Manohy hatrany ny fiarahana i Rija Ramanantoanina, Luk ary Mahery. Nampiaina indray ireo hira tiany izy telo mirahalahy ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka. Ankoatra ireo hiran’ny tarika Johary sy i Rija Ramanantoanina, namerina ireo hirana mpanakanto nitaiza azy koa ry zareo.