Toetr’andro : Hanjaka ny orana tandrifin-drahona

Hisesy ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy, amin’ity herinandro ity, raha ny tomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hitondra orana tandrifin-drahona amin’ny toerana maromaro izany. Ny varatraza kosa dia hitoetra hatrany any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy.
Ho an’ny atitany afovoany andrefana sy ny afovoan-tany kosa dia tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona amin’ity herinandro ity indrindra ny tolakandro. Hanenika ny toerana maro any atsimo izany amin’ny faran’ny herinandro.
Ho lalovan-drahona avy any an-dranomasina koa ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy, izay mety harahin’orana indraindray.
Ho an’ny maripana, hisy fiakarany izany amin’ny ankapobeny ho an’ny afovoan-tany sy ny tapany atsimo atsinanana any amin’ny faran’ny herinandro any. Hanodidina ny 13°C ka hatramin’ny 27°C ny maripana ny maraina. Tafakatra 39°C izany ny atoandro.

Tatiana A

Partager sur: