Jiolahy telo mitam-piadiana no nikasa hanafika tranombarotra iray ana karana ao Toliara, ny alahady maraina teo. Nahazo vaovao momba izany ny polisin’ny UIR Toliara ka tonga ara-potoana nanao ny asany. Vokany, nandamoka ny fanafihana saika hataon’ireo jiolahy. Nisy ny fifanandrinana satria nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahatazana ny polisy. Nandritra izany, maty voatifitry ny polisy ny roa amin’ireo mpanao ratsy fa tafaporitsaka kosa ny iray izay mbola karohina hatramin’izao. Nahitana basy poleta roa sy bala 22 tany amin’ireo olon-dratsy ireo rehefa nosavaina, izay saika hampiasainy tamin’ny fanafihana. Voasoroka mialoha anefa izany ka tsy tanteraka hatramin’ny farany. Tsy nisy ny zavatra very tao amin’ilay tranombarotra. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
CMS