TSELATRA

Nahatratra 14 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena nandritra ny hetsika “bemidina” nataon’izy ireo, ny sabotsy 12 avrily 2025 lasa teo. Olona efatra voasambotry ny Kaomisaria Isotry, niarahany tamin’ny PPA 1, PPA 3. Olona 10 hafa voasambotry ny polisy avy amin’ny Kaomisaria Analamahitsy, noho ny fitazonana sy fifohana zava-mahadomelina ary filokana an-dalambe. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fametrahana fandriampalemana maharitra ny hetsika.

Fiara iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Ambohimangakely, ny sabotsy 12 avrily teo. Mamo ny mpamily ny fiara araka ny angom-baovao ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Tsy nisy aina nafoy.

Partager sur: