Noho ny vokatra tsara azon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy «sénior», lehilahy, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024, natao tany France izay nandrombahana medaly volamena teo amin’ny «tir de précision» sy ny naha tompondaka lefitra maneran-tany ny ekipa olon-telo miaraka. Nasain’ny federasiona iraisam-pirenena manokana izy ireo, hiatrika ny «Masters 2025», tanterahina any France ny volana jona ka hatramin’ny septambra.
Araka izany, nambaran’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federasionina tsipy kanetibe malagasy (FSBM) fa tsy misy masontsivana be intsony ny amin’izany afa-tsy ny fisafidianana ny ho mpilalao fahefatra. Anton’izany, nisafidy ny hitondra ekipa Andriantseheno Christian (Racl), kapitenin’ny akipa malagasy. Izy rahateo tsy mpilalao eto Madagasikara fa mila ravinahitra any France. Tsy maintsy fenoina izany io toerany io ka handeha amin’izany izay mpilalao hita fa mahafeno ny fepetra rehetra ao anatin’izany ny fahaizana sy ny fitondran-tena mendrika.
Manana ny safidiny amin’ny ekipany i Racl
Mahakasika ny ekipa hoentin’i Racl indray, hatreto tsy mbola misy mahafantatra na ho Malagasy na vahiny fa safidiny samirery izany fa tsy misy hidiran’ny Federasionina tsipy kanetibe malagasyvelively ka izy no nahazo ny isa sy ny vokatra tsara hiatrehana izany. Ny amin’ny mpanazatra ny ekipa malagasy tany amin’ny « Mondial 2024 », tsy tafiditra ao anatin’ilay fanasana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena fa ny mpilalao ihany. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy misy mpanazatra ny ekipa rehetra miatrika ny « Masters », hatramin’izay.
Ho an’ny « tournée estivale » indray, mazava ny masontsivana araka ny nambaran’ny filohan’ny FSBM fa izay mahazo ny anaram-boninahitra ary manana ny isa ambony indrindra no afaka miatrika izany. Tsy mbola fantatra ny ho isan’ny ekipa handray anjara amin’io fa mbola eo ampiresahina izany amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny tomponandraikitra, ankehitriny. Hatreto aloha, tsy ho latsaky ny 6 ny isan’ireo mpilalao efa handeha amin’izany fifaninanana izany.
Ny amin’ireo mpilalao mila ravinahitra te handrafitra ny ekipam-pirenena, nomarihin’Andrianirina Adrien, fa mila manana vokatra iraisam-pirenena hita maso ary manana ny maha izy azy, any amin’ny klioba misy azy fa tsy hoe anarana no hoentina miditra ao anaty ekipa nasionaly. Takina aminy, araka izany, ny « curriculum vitae sportif », ny vokatra azony tamin’ny taon-dasa sy ny amin’izao fotoana izao.
Fitakian’ny federasiona iraisam-pirenena
Ny amin’ny fandrafetana ny solontena malagasy amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena isan-tokony, nohamafisin’ny filohan’ny Federasionina tsipy kanetibe malagasy (FSBM) fa fitakian’ny federasionina iraisam-pirenena izany, na ho an’ny sokajy lehilahy, na vehivavy na ny « jeune ». Tsy ho an’i Madagasikara irery izany fa ho an’ny firenena rehetra maneran-tany mifaninana amin’ireo fifaninanana hampanaovin’ny federasionina iraisam-pirenena (FIPJP). Hita ihany koa izany fa nahatsara ny vokatra ho an’i Madagasikara araka ireny niaraha-nahita ireny.
Foanana ny « tournoi sauvage »
Efa nahazo ny « quitus » zato isan-jato tamin’ireo ligim-paritra miisa 7 ny komity mpitantana ny Federasionina tsipy kanetibe malagasyka afaka manohy ny fitantanana. Tanjona ho an’ity taom-piasana 2025 ity, ny fanohizana ireo asa efa natomboka tamin’ny 2024. Anisan’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitantanana sy ny fametrahana ny fangaraharahana. Eo amin’ny lafiny fitantanan-draharaha sy ny teknika indray, efa nisy ny ezaka tamin’ny fametrahana kara-pilalaovana roa ho an’ny matihanina sy « amateur », tamin’ny taon-dasa. Amin’ity, tsy maintsy manana kara-pilalaovana avokoa ny mpilalao rehetra, ka mila mahazo alalana avokoa ny fifaninanana. «Tanjona, ny hanafoanana ireo antsoina hoe : « Tournoi sauvage », hoy ny filohan’ny FSBM.
Havaozina amin’ity taona 2025 ity avokoa ireo mpitantana rehetra manomboka any amin’ny seksiona sy ny ligy ary ny federasionina ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe. Fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriamben’ny FSBM ny hametraka kaomitim-pifidianana mahaleo tena ka hanatanteraka fifidianana, mangarahara sy tsy mitanila manaraka ny fenitra napetraka.
«Herintaona no nitantananay ny FSBM, nisy ny asa nantomboka ary azo tsapain-tanana ny vokatra azo na tsy mbola tratra ilay tanjona tena izy. Koa heverinay fa raha miampy 5 taona izany, ho tsara lavitra noho izao zava-bita izao no ho azon’ny tsipy kanetibe malagasy », hoy Andrianirina Adrien, filohan’ny FSBM.
Torcelin