Association Gescod : Hiara-kiasa amin’i Boeny sy i Betsiboka ny fikambanana

Mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny delegasionina avy amin’ny “Association Gescod”. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy, izy ireo.

Niompana tamin’ny fiaraha-miombona antoka amin’ ny faritra ny dinika. Mpandraharaha ho an’ny fiaraha-miasa avy any amin’ny Région Grand Est, Frantsa, ireto avy amin’ny Gescod ireto ary hanohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy vondrom-paritra. Hiaraka hiombona antoka amin’ny faritra Boeny sy i Betsiboka. Niompana ta­min’ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Mahajanga, Am­bato Boeny, Ambesisika sy ny any Volamena, any Maevata­nàna, ahitana ireo kaominina 16, ny dinika teo amin’ny an­daniny sy ny ankilany.
Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa ho amin’ny rano fisotro sy ny fahadiovana. Ny fa­norenana tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra eo amin’ny samy kaominina ao Maevata­nàna. Manampy izany ny fanadiovana lakandrano…

Fanamafisana ny fahaiza-manao

Nifanakalozana tamin’ izany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana eny ifotony, eo anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.
Anisan’ny fanambin’ny MFFT ny fiaraha-miasa tahaka izao sy ny fanamafisana ny fanatsarana ny fitantanana eny anivon’ny kaominina, miaraka amin’ny fandrindrana izany, iarahana amin’ny rehetra.
Tsiahivina fa mitarika ireto delegasionina ireto ny filohan’ ny Gescod avy any Frantsa, i Jean-Pierre Fortuné. Eo koa ny talen’ny Fanajariana ny tany sy ny rano ary ny toetr’ andro, i Agglo Champagne, ary ny solontenan’ny Gescod eto Madagasikara, i Cécile Sicard.

Synèse R.

Partager sur: